Hanomboka
Mpampiasa WordPress an-tapitrisa manerana an'izao tontolo izao no mampiasa ny tahirim-bika WordPress. Afaka sintomina avy amin'ny WordPress.org ny bika ao amin'io tahirim-bika io, ary azon'izy ireo atao ihany koa ny mampiditra azy avy hatrany avy ao amin'ny pejy fitantanana ny tranonkalany.
Rehefa mampiantrano ny bika nataonao eto amin'ny WordPress.org ianao, dia ireto avy no sitrahanao :
- Antontanisa mampiseho hoe impiry no nisy nisintona ny bika namboarinao
- Domberina avy amin'ny mpampiasa ao amin'ny forums
- Tombana, ahitanao ny hevitry ny olona nampiasa ny bika noforoninao
Tsy hampiantrano ny bika rehetra misy eran'izao tontolo izao no tanjon'ny Tahirim-bika, fa kosa hampiantrano ny bika WordPress Open Source tsara indrindra Toy ny fahalalahana amin'ny fampiasana WordPress mihitsy ny fahalalahana azo amin'ireo bika ampiantranoina ao amin'ny WordPress.org : GPL 100% izy ireo.
Torolalana & tahirin-kevitra
Mba haha-azo antoka ny bika ampiasain'ireo mpampiasa WordPress, dia mandalo fizahana avy amin’ny ekipa misahana ny bika avokoa ny bika rehetra ato. Hampitombo ny mety haha-tafita ny bika atolotrao ny fahagenoan'ireto fepetra ireto :
- Vakio ny tari-dalana fitsarana bika dia araho ireo fepetra takiana amin’ny fanolorana.
- Sedrao amin’ny alalan’ny Theme Unit Test data ny bika namboarinao alohan’ny anoloranao azy.
Ahitanao tahirin-kevitra fanampiny momba ny famoronana bika, vakio ny Torolalana ho an’ny Mpamorona bika. Midira ao amin’ny Tafasiry momba ny bika sy lasitra raha misy fanontaniana manokana.