See you in Manila: WordCamp Asia 2025 kicks off on February 20

‘Ndao hampiasa WordPress

Fitaovana Open Source, safidin’ny mpitantana tranonkala an-tapitrisa maro manerantany — manomboka amin’ny mpanao blog kely indrindra ka hatramin’ny orinasa goavana indrindra.

Sary fanehoana koja samihafa, fehezan-kevitra sy fonosana.

Bika sy endrika

Manangàna tranonkala afaka volavolaina araka izay tianao amin’ny alalan’ireo koja. Miaingà hatramin’ny voalohany na misafidiana amin’ireo bika maro azo isafidianana. Amboary izay tianao – Tsy mila kaody.

Sary fanehoana maneho koja.

Manorena

Hitanao eo no eo ny endriky ny tranonkalanao, mora ampiasaina sady miaraka amin’ny fahafahana mitantana azy rehetra.

Andramo ny fanamboarana Koja

Efijerin'ny bika Twenty Twenty-Five.

Hitaro

Ataovy manao izay rehetra ilainao ny tranonkalanao. Afaka asianao tsena fivarotana, filazam-baovao, na koa reseau social kely; ianao no mifehy ireo karazana plugins tsy lany laniana.

Jereo hoe inona no vaovao

Hanampy anao hitrandraka ny fahaizanao mamorona ny WordPress 6.7, amin’ny alalan’ny bika vaovao Twenty Twenty-Five. Afaka anaovanao “dézoom” io vokatra io, nohatsaraina ny fampiasany ireo haino aman-jery, misy fitaovana vaovao fikirakirana ny bikany, ary matanjaka kokoa ireo APIs afaka ampiasain’ny developpeurs.

Sary mainty sy fotsy ahitana mpanatrika hetsika WordPress.