WordPress.org

Vaovao

Indro ny Wapuu (mascotte) an’ny WordPress Malagasy đŸ„°

Indro ny Wapuu (mascotte) an’ny WordPress Malagasy đŸ„°


Mariky ny firosoana sy ho famelombelomana hatrany ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy mpikirakira WordPress malagasy, dia manana ny Wapuu na mascotte azy manokana izao ny Fianakaviamben’ny mpikirakira WordPress Malagasy, ary atolotra eto miaraka aminy ny torolalana (charte graphique) ho ampiasaina amin’ny fifandraisana sy fanentanana fampiasana WordPress Malagasy manomboka izao.

Inona izany Wapuu ?

Ny Wapuu dia sary maneho biby noforonina manokana ho “mascotte” mampiavaka ireo vondrona na hetsika manodidina ny WordPress. Tany amin’ny taona 2009 tany no niandohan’ny hevitra, nandritra ny WordCamp tao Japon. Taty aoriana dia lasa isan’ny kolotsaina mampiavaka sy lalaovin’ireo mpikirakira WordPress manerana an’izao tontolo izao ny Wapuu. Tsy latsa-danja intsony izao isika Malagasy fa efa manana ny antsika koa.

Endriky ny Wapuu antsika

Niainga tamin’ny Mascotte Wapuu voalohany mihitsy ny endriky ny Wappu ho an’ny Fianakaviambe Malagasy. Manao fitafin’ireo mpanao Hira Gasy (voasokajy ho Patrimoine Culturel ImmatĂ©riel de l’humanitĂ© mampiavaka an’i Madagasikara ny Hira Gasy).

Misy endrika karazany roa io Wapuu io : ny endrika voalohany (mitazona ny “W” an’ny WordPress) rehefa hanehoana ny CommunautĂ© manontolo, ary ny endrika faharoa (mitazona “A/🈗”) rehefa maneho manokana ny ekipa mpanao dikateny (Polyglot team)

Niainga avy tamin’ny soso-kevitr’i Rafamelantsoa Lucianno Annicolas (TSIKETA Mazoto).

Torolalana fampiasana (Charte Graphique)

Hametraka valiny

Sokajy

Hanaraka