Fanamby goavambe no raisin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo vitsivitsy : handika ny fitaovana fitantanana tranonkala “WordPress” ho afaka ampiasaina amin’ny teny malagasy. Zava-kendrena amin’izany ny ho fandraisana anjara hampihenana ny tsy fitoviana amin’ny fisitrahana fahalalana eo amin’ny tontolo niomerika.
Ny WordPress dia fitaovana Open Source izay mampiodina ny 43%-n’ireo tranonkala rehetra hitantsika ankehitriny. Fitaovana tsy azo ihodivirana izy raha amin’ny sehatry ny famokarana eo amin’ny internet. Hatreto nefa mbola tsy misy ny dika teny izy, ka sakana ho an’ireo malagasy 83% tsy mahay teny vahiny hafa tsy ho afaka hamokatra na hitrandraka fahalalana na haneho hevitra amin’ny teny manakaiky ny fony.
Hanafoana io elanelana io no antom-pisian’ity ezaka ity.
Hitondra fanovana any am-pototra avy hatrany, mba tsy ho voatokana ho an’ny mahay teny vahiny ny fandratoana sy famokarana fahalalana
Marina fa mbola lavitra ny lalana, nefa kosa efa nahavita dingana goavana i Madagasikara na teo amin’ny lafiny ara-fotodrafitrasan’ny fifandraisan-davitra, na teo amin’ny fandrindrana ireo tolotra momba ny internet hisokatra sy hisiana fifaninana hampihenana ny sarany.
Na ho tratra aza nefa ny tanjona amin’ny fotodrafitrasa sy ny fihenan’ny sarany, dia mbola hijanona ho sakana ny eo amin’ny teny sy fiteny.
Maro amin’ireo tranonkalan’ny andrim-panjakanantsika, sy ireo loharanom-pahalalana fototra eto amintsika no natao tamin’ny alalan’ny WordPress, nefa mbola amin’ny teny vahiny manontolo na ampahany.
Rehefa voadika amin’ny teny malagasy ny fitaovana fototra, WordPress, dia ny tontolon’ny internet manontolo eto amintsika mihitsy no hiroborobo.
Hitombo ireo mpamokatra fahalalana sy fanehoan-kevitra amin’ny teny malagasy, hitombo manaraka izany ny tolotra ka hanaraka ho azy ireo mpampiasa amin’ny sehatra maro.
Fanentanana no atao: dimy minitra isan’andro avy aminao dia efa manova zavatra
Miankina tanteraka amin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo manokana fotoana amin’ny fandikan-teny ny fahatanterahan’io tanjona io.
“Tsy mila fahaiza-manao teknika be! Ny dikanteny tsirairay vitanao dia efa mandray anjara amin’ny fanorenana tontolo niomerika mampiaty kokoa.”, hoy i Ulrich Andrianina, anisan’ireo mpandrindra ny fandikanteny.
Azon’ny orinasa na ireo vondrona efa mampiasa maimaimpoana ny WordPress ho an’ny tranonkalany koa ny manokana fotoana sy mamporisika ireo ekipa miasa ao aminy ho fandraisana anjara, na amin’ny dikateny na amin’ny fanatsarana ny kaody mihitsy koa aza.
Momba ny WordPress
WordPress dia fitaovana izay mamokatra sy itantanana ny 43%-n’ireo tranonkala rehetra hitantsika ankehitriny eran’ny internet. Vondrona mpirotsaka an-tsitrapo manerana izao tontolo izao no mifanome tanana mamolavola sy mampivoatra azy amin’ny ankapobeny.
Hamantatra misimisy kokoa: https://fr.wordpress.org/about/ Handray anjara amin’ny fandikan-teny : https://mg.wordpress.org/handray-anjara/
Hametraka valiny
Tsy maintsy miditra ianao raha hametraka resaka.